<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Zaka RAHARIJAONA</author>
<hymn_number>55</hymn_number>
<title>O ! RY MINO ! O HENOY ASAFA55</title>
<lyrics>[V1]
 O! ry mino, ô! henoy
 Fa miantso anao Jesô
 Miantso anao Izy mba
 Hiara-miasa Aminy
 Tsy ny hafa fa ianao
 Tsy ny ampitso fa izao
 Miandry anao Jesô tia
 Hanambara ny Asany

[C1]
   Tadidio fa avotr'aina anie
   Ny asa izay omen'ny Tompo anao
   Tadidio fa i Kristy
   Dia nanefa ny Asany
   Fa ny anao no mbola miandry ao !

[V2]
 Moa ve nosaininao
 Raha toa ianao mandà
 Aina anie no an-tananao
 Aina fa tsy kilalao
 Fahafatesana, satria
 Fahaverezana doria
 No miandry ny olona
 Raha tsy miasa ianao</lyrics>
</song>